« Mondial 2026 »: Hatao any Maroc ny lalaon’ny Barea

Noho ny tsy mbola fahazoan’ny Kianjaben’i Mahamasina fankatoavana avy amin’ny kaonfederasionina afrikanina (Caf) sy ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), voatery hatao ivelan’i Madagasikara indray ny lalaon’ny Barea A. Fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026», ho an’ny vondrona I.
Araka izany, navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambanjotrantseraserany, ny sabotsy lasa teo, fa hotanterahina any Maroc ny fihaonana tokony horaisin’ny Barean’i Madagasikara. Ao amin’ny Kianja Larbi Zaouli no hampiantrano an’i Centrafrique ny Malagasy, ny alakamisy 4 septambra ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro fahafito. Ny alatsinainy 8 septambra kosa ny andro fahasivy, handraisana an’i Tchad ao amin’io kianja io hatrany. Tsiahivina fa vao avy resin’ny Barea A’ i Centrafrique teo amin’ny fiadiana ny “Chan 2025.
Marihina fa taorian’ny fahavitan’ny andro fahenina, amin’ity vondrona I ity, mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, manana isa 10. Mbola mitarika i Ghana, manana isa 15, arahin’i Comores, isa 12. Fahefatra ry zareo Malianina, nahazo isa 9, ary fahadimy i Centrafrique, isa 5. Ary farany tsy mbola nahazo fandresena mihitsy i Tchad.
Andrasan’ny rehetra fatratra indray izany ny lisitra havoakan’i Corentin Martins, mpanazatra, ho amin’ity fifanintsanana “Mondial 2026” ity sy ny ho fizotran’ny fanomanana. Mbola manana herijika tsara mantsy ny Barea de Madagascar, hatreto, hiakatra amin’ny dingana manaraka.
(source: Tompondaka – newsmada.com)
Cette entrée a été publiée dans Culture, Sport Best et taguée Barea, Mondial 2026 Maroc.