MORCEAUX D’HISTOIRE & GENEALOGIE
« …Ny ranomasina no valam-pariako! »
Nangonin’i Moïse Ramilamintsoa
Ny Mainty
Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nisy foko telo izay nanana andraikitra nanompo azy, ary novidiany ny sasany tamin’ireo kanefa tsy nataony hoe « andevo » fa nomeny anarana manokana, dia: ny Manisotra, ny Tsiarondahy, ary ny Manendy. Ny fitambaran’ireo no natao hoe Maintienindreny.
NY MANISOTRA
Ny razan’ny Manisotra dia ireo telopolo lahy sy telopolo vavy nanompo an-dRamatoa Rasahala vadin’Andriamasinavalona. Ratsiana valala sy foza hono izy ka nirahiny ny telopolo vavy ho eny Bevalala hisambo-balala ho azy, ary izy telopolo lahy kosa hialo-poza eny Anosizato. Nony niverina avy tany izy telopolo dia faly loatra Ramatoa Rasahala ka hoy izy: « Tsofiko rano hatao ambaniandro ianareo ». Dia tsy andevo intsony izy ka nangataka tany mba onenany tamin’Andriamasinavalona ary nomeny an’Ambohitraina teny andrefan’Andoharanofotsy. Taty aoriana dia nisy andriana naditra tsy nety nanoa an’Andriamasinavalona tao Ambohijoky ary hoy ity farany: « Raha afakareo Ambohijoky dia ento ho anareo ».
Nanihiny ka afany tokoa ary lasany. Ary satria izy ireo no nanaisotra ilay andriana naditra dia natao hoe « Manisotra » no anarany.
Nanohitra mafy an’Andrianampoinimerina izy, na teo Imerina na tany Betsileo, kanefa noho ny toe-tsainy mahitsy sy ny herim-pony tamin’ny ady, ary ny fahavononany ho faty hampandresy an’Andrianampoinimerina dia zary sakaizan’ny Mpanjaka sady nitokisany izy tamin’ny ady sy fandaminanana nataony tamin’ny nanangonany an’Imerina sy Betsileo. Ny Manisotra no nitari-dalana tamin’ny nananihana an’Ambohibeloma Avaratra (faritr’Anjozorobe). Ary raha nanendry vadintany folo hampandry tany sy hanitatra ny fanjakany tany Betsileo Andrianampoinimerina dia Manisotra ny dimy tamin’ireo, ary Hova ny dimy sisa.
NY TSIARONDAHY
Ny Tsiarondahy kosa dia babo tamin’ny ady nataon’Andrianampoinimerina tany Betsileo. Matetika dia lehilahy kinga sy mpiady be herimpo izy ireo kanefa resy ary navotan’Andrianampoinimerina ariary telo isan’olona ka nambarany am-pahibemaso fa tsy « andevon’olona intsony fa mpanompon’ny Mpanjaka ao an-dapany ». Nozarainy telo ka napetrany tao Faliary, atsimon’Ambohipeno, sy tao Mangarano andrefan’Imerimandroso ary tao Ambohipoloalina.
NY MANENDY
Ny Manendy dia mpanompon’Andriana napetrany hitandrina ny ombiny tany Anativolo sy tany Anosivola. Ny Manisotra sy ny Manendy dia samy nitondra hetra tahaka ny Ambaniandro, izany hoe nomeny tany honenana sy hovolena. Na Manisotra napetraka tao Alasora miray fanompoana tamin’ny Vakinisisaony, ary ny Manendy any Anativolo miray fanompoana amin’ny Mandiavato. Fa ny Tsiarondahy dia tsy mba nitondra hetra fa nanompo ny Andriana tao an-dapa.
Natambatra ny Tsiarondahy sy ny Manisotra ary ny Manendy, dia nomen’Andrianampoinimerina anarana hoe: « Maintienindreny ». « Ianareo hoy izy no mahatoky ahy amin’ny hanin-ko haniko ». Koa dia nisy roa ambinifolo lahy avy amin’ny Maintienindreny notendren’Andrianampoinimerina ho mpamory ny vodihena ho azy.
NY TANY NIVAROTANA ANDEVO MALAGASY
Ny tany nivarotana ny olona avy aty Madagasikara dia tany Amerika, Afrika Atsimo, Portigaly, Goa (India), Java, Batavia (Indonesia), Bourbon (La Réunion), Ile de France (Maurice), Jamaika, Barbade, Trinidad, Porto Rico.
Ny ankamaroan’ny Malagasy nandevozina tany dia niasa tamin’ny fambolena fary sy landihazo. Nisy vitsivitsy natao andevo am-patana satria hono ny Malagasy dia kinga saina sy mirandava ka mora baikona! Fa ireo Gasy namidy tatsy La Réunion kosa anefa dia naditra ka maro taminy no nandositra niafina tany anaty ala, ary nanjary jiolahy nampioron-koditra.
Tsy azo fantarina ny isan’ny Malagasy navarina ho andevo, kanefa mba tsara ihany ny ampatsiahiavana tarehi-marika vitsivitsy izay tena nampioron-koditra tokoa. Tamin’ny taona 1667, hoy Mompera Berto, dia nisy tokony ho arivo isan-taona ny Malagasy nangalarin’ny Arabo sy naondrany. Taona maromaro taorian’ny 1700 dia nisy Malagasy aman’arivony maro naondran’ny Amerikana avy tao Morondava. Ary tamin’ny 1826, dia 14.000 Malagasy (efatra arivo sy iray alina) no nandevozina tatsy La Réunion. Tany Barbade (Caraïbes) nisy andevo Malagasy sy Gineana 32.473 (telo amby fitopolo sy efa-jato sy roa arivo sy telo alina) nandevozina.
Copyright © 2016, S.P.L.T. All rights reserved