Nodimandry i Raymond Ratsimandisa
Mpanolo-tsaina ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka i Raymond Ratsimandisa, ary niara-niasa akaiky tamin’ireo « Teknisiana mpandray andraikitry ny Repoblika Faharoa » toa an-dry Léon Rajaobelina, José (Kely) Andrianoelison, Vincent Radanielson, Simon Pierre, Ralefa Etienne, José Rakotomavo, sy ny maro hafa manerana ny Nosy…
Nanangana an’ny Radama Hotel izy ary mpikambana tamin’ny Filan-kevim-pitondran’ny Orinasa maro (Administrateur de sociétés).
