Nitondra avo ny Fanevam-pirenena ny Barea U20 Vehivavy : manohana hatrany ny Fanjakana

Publié le Mis à jour le

26 desambra 2019:

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny ekipam-pirenena malagasy Barea U20 vehivavy, izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny Tournoi UFFOI 2019.

Voalohany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nibatan’ny ekipam-pirenena vehivavy io amboara io. Notoloran’ny Filoha 1 tapitrisa ariary tsirairay avy ireto mpilalaon’ny ekipam-pirenena ireto, miaraka amin’ny mpikarakara ara-teknika, ho mariky ny fankasitrahana ny dingana lehibe vitan’izy ireo.

(Communication Présidence de la République)

Laisser un commentaire