«Women In Africa »: Azon’i Valérie ny loka “Lauréat WIA54

Namiratra indray ny Malagasy….
Norombahin’i Valérie Hantavololona Randriarison ny anaram-boninahitra “Lauréat WIA54” tamin’ilay fifaninanana ho an’ny vehivavy mpandraharaha na ilay hoe « Women In Africa ». Nahatratra 5000 mahery ny mpandray anjara tamin’izany ary tonga tamin’ny famaranana ny Malagasy, miisa 17. Ny fifaninanana dia natao an-tambajotra ka ny BFV no mpiara-niombona antoka tamin’ity fifaninanana WIA 2021 ity ary navoaka teny amin’ny Innov place BFV Antsahavola ny vokatra tamin’izany, ny zoma teo. Loka maro no nozaraina tamin’izany toy ny lelavola sns…
Vehivavy mpitantana ny Sevprod Sarlu ny tenany ary misehatra amin’ny fanodinana ny akora hahazoana lohamenaka na “ huile essentielle » toy ny ravintsara sns… Tanjony ny hanaparitaka ny zavatra vokarin’izy ireo amin’ny alalan’ny lalambarotra sy tsena ivelany, araka ny nambarany. Anisan’ny mampiaiky vahiny ny fifehezantsika ny zavaboary, indrindra ny ravinkazo, ary tena nisongadina izany tato anatin’ny roa taona.
(source: newsmada.com)