Adihevitry ny kandidà : nahemotry ny Ceni ny fifanatrehana

Publié le Mis à jour le

Plus que huit jours avant le premier tour de l’élection présidentielle. Tandis que le collectif des candidats s’acharne à réclamer un report du vote, qu’une nouvelle tentative de médiation s’organise, la campagne électorale s’intensifie.

Décisive. Les huit jours qui restent avant le 16 novembre, date du premier tour de la présidentielle, seront déterminants. Une dernière ligne droite cruciale sur deux fronts. À commencer par la campagne électorale.  (… lire l’article)

Bien que seuls trois soient officiellement en campagne, les électeurs auront à choisir entre treize candidats à la présidentielle.

Nahemotra amin’ny 13 novambra ny adihevitry ny kandidà saika ho natao halina, tao amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana TVM/RNM. Tokony ho nifanatrehan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Randrianasoloniaiko Siteny ary Raderanirina Sendrison izany.

Tsy raikitra tamin’ny ora farany ary nahemotra. Tokony ho notanterahina, omaly halina tamin’ny 8 ora, ny adihevitra karakarain’ny Ceni amin’izao hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena izao. Anisan’ny tokony hifanatrika amin’izany ny kandidà laharana fahatelo, i Andry Rajoelina sy ny kandidà laharana faha-13, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ary ny laharana faha-11, Raderanirina Sendrison.
Tafiditra amin’ny fampielezan-kevitra izao fandaharana manokana iarahana amin’ny Ceni ary tontosain’ny TVM/ RNM izao. Noho ny antony manokana eo anivon’ny Ceni no nahatonga izao fanemorana ho amin’ny alatsinainy 13 novambra izao, raha efa voafaritra mialoha ny faran’ny herinandro teo fa tokony ho natao omaly izany. Efa nigadona eto an-drenivohitra, hatry ny omaly maraina ny kandidàn’ny Mihava Tour ka niroso amin’ny fandaharam-potoany nanao fampielezan-kevitra teny Ambohijanaka, Atsimondrano sy teny Sabotsy Namehana, Avaradrano.

Maro ireo efa niandry ny fifanatrehana
Etsy andaniny, tany Bealanana sy Maroantsetra ary Mahanoro kosa ny kandidà, i Andry Rajoelina, omaly. Mihanona amin’ny famoahana vaovao vitsivitsy momba ny propagandiny amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny haino aman-jery kosa ny kandidà Raderanirina Sendrison. Hany nisehoany vahoaka ny tany an-tanindrazany, tany Ambositra, raha nanomboka ny fampielezan-keviny ity kandidà ity.
Samy efa niandry fatratra ity adihevitra ity ny rehetra, omaly, saingy izao nahemotra ho amin’ny alatsinainy ho avy izao indray izany.

(source:Randria – newsmada.com)

Laisser un commentaire