Monja Roindefo sy ny « Raharaha 7 Febroary 2009 »: ny fijeriny ankehitriny
Nanatitra fehezam-boninkazo manokana niaraka tamin’ireo mpiara-dia aminy, fa tsy niaraka tamin’ny « Orange » (niakanjo fotsy tamin’ity), teny Antaninarenina ny Praiminisitry ny Tetezamita Zafitsimivalo Monja Roindefo, sady Filohan’ny Antoko MONIMA. « Sarotiny ny tenako raha tsy ny zavatra nifanekena tamin’ny vahoaka tamin’izany no tanteraka ankehitriny – Tsy maintsy mijoro hanitsy ny tenako », hoy izy. Nomarihan’ny filazam-baovao fa tsy tazana teny kosa Rtoa Christine Razanamahasoa, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, sy ny Filoha Lefitra Brunelle Razaftsiandraofa, ary Tino Roberto.