Maka Alphonse : “Tsy midika seza ny fifampiresahana”

”Tsy midika hoe rehefa mifampiresaka dia mizara seza. Tsy izay no izy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Raha misy ny finiavana: aoka re mba tsy hisy intsony ny korontana fa tsy ahitam-bokatsoa. Na inona tetikasa tsara amin’ny fampandrosoana ka mikorontana ny firenena, tsy misy fahamarinan-toerana.
“Zava-dehibe ny fifampiresahana”, hoy izy. Raha ny ara-dalàna, voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana ny CFM. Misy lalàna koa mametraka azy io. Misy lalàna tsy voahaja ny tsy fametrahana azy. Manaraka ny antom-pisiany tao anatin’ny disadisa politika teto amin’ny firenena. Tao anatin’ny tondrozotra izy io tamin’ny 2009. Lasa lalàna ny tondrozotra, dia lasa tao anatin’ny lalàmpanorenana. Ny zava-misy eto amin’ny firenena no mitaky ny fisiana rafitra toy izany: rafitra mpandamina.
(source: R. Nd – newsmada.com)