Baolina kitra : Fantatra ireo firenena afrika­nina 9 hanao “Mondial 2026”

Publié le

Vita tanteraka ny fifanintsanana isam-bondrona, niadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Miisa 9 izy ireo, izay voalohany tao anaty sokajy nisy azy avy. Miandry ny toerana iray hiadiana amin’ny sakana, izay hahazo azy ny rehetra. Hiadiana amin’ireo kaontinanta hafa izany.

Tapitra ny talata lasa teo, ireo fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny faritr’i Afrika, amin’ny fiadian-toe­rana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo firenena 9 tafita mivantana amin’izany dingana famaranana izany.
Miisa efatra ireo ekipa magrebianina dia i Maroc, Tunisie, Egypte, Algerie. An­ko­atra izay, i Ghana izay niray vondrona tamin’ny Barea de Madagascar, i Cap-Vert, sambany ary voalohany eo amin’ ny tantarany hiatrika ny “Mon­dial”. Manampy azy ireo i Afrika Atsimo sy i Côte d’Ivoire ary i Senegal.
Fantatra taorian’izay koa ireo firenena efatra nahazo ny toerana faharoa tsara indrindra ka hanao ny lalao sakana ho an’i Afrika dia i Cameroun izay sahirana nandritra ny fifanintsanana. Eo koa i Gabon miampy ny RD Congo sy i Ni­geria. Raha ny fandaharam-­potoana, hifandona eo amin’ ny manasa-dalana ny “final four”, i Gabon sy i Nigeria ary RD Congo hifanandrina amin’ ny Cameroun. Araka izany, tsy maintsy hisy firenena goavana ho very amin’ity.
Hotanterahina any Maroc, ny 13 ka hatramin’ny 16 no­vambra ho avy izao, ny fihaonana eo amin’izy ireo ka hi­solo tena an’i Afrika eo amin’ ny lalao sakana kaontinantaly “Barrages inter continentaux” izay ekipa tompondaka eo.
Ekipa 6 no hifanandrina amin’izany ka hanana solon­tena amin’izany Amerika Ava­ra­tra sy Afovoany ary Atsimo. Eo koa i Azia sy Oseania ary i Afrika. Hifandimby hifanan­drina izy ireo ny volana marsa ho avy izao ka hahazo ny tapakila hiatrehana ny “Mon­dial 2026”, ireo ekipa roa manao famaranana amin’ity “Barra­ges intercontinentaux” ity.

(source: Tompondaka – newsmada.com)

Laisser un commentaire