Manasa-dalan’ny Can 2025 [Alarobia]: Nigeria sy Maroc, Senegal sy Egypte

Publié le Mis à jour le

(©newsmada.com)

Fantatra ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo firenena efatra tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, Can 2025, izay tontosaina any Maroc. Fifanandrinana azo heverina ho mafy avokoa izy ireo. Hifandona amin’ny Lion de L’Atlas Maroc, mpampiatrano, ny Super Eagles Nigeria.

Raha tsiahivina, resin’i Maroc, tamin’ny isa, 2 no ho 0, teo amin’ny ampahefa-dalana, ny Liona tsy voafolakan’i Came­roun. Nahintsan’i Nigeria, 2 no ho 0, ihany koa i Alzeria.

Nampodian’i Egypte, teo amin’ity dingan’ny ampahefa-dalana ity ihany koa, i Côte d’Ivoire, tompondaka faran’ny Can, izay niondrika teo anatrehan’ireo egypsianina, 3 no ho 2. Tamin’ny isa 1 no ho 0, kosa, nandresen’ny senegaley, an’i Mali.

Hatao ny alarobia ho avy izao, ny manasa-dalan’ny Can 2025. Tsara ny mampatsiahy fa ireo ekipa efatra ireo, dia tsy mbola nahita faharesena mihitsy nandritra ity fifaninanana ity.

(source: F.R – newsmada.com)

Laisser un commentaire