maro an’isa
Fanambarana maika: Niala tsy ho Vondrona IRMAR intsony ireo Depiote ao amin’ny Antenimierampirenena
Antenimierampirenena Tsimbazaza
Nanapa-kevitra ny #hanohana ny fitondrana mijoro ankehitriny. Amin’ny sary, ireo Solombavambahoaka lany tamin’ny tsy miankina sy ireo nametra-pialana tamin’ny vondrona parlemantera Irmar.
Isan’ireo handrafitra ireo maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena izy ireo raha ny #fanambarana hatrany. Miisa 80 ireo solombavambahoaka tonga teny an-toerana.
FANAMBARÀNA
Izahay, Solombavambahoaka lany tamin’ny vondrona IRMAR izay misy antoko politika sy fikambanana maro, rehefa nahita fa nisy fanambarana tsy nisy sonia, tsy nisy feo na vidéo, tsy fantatray ny fahamarinany, nefa nampiasa ny sarinay fahiny, ary milaza fa mitondra ny anaran’ny IRMAR dia manambara sy manamafy etoana fa:
– 80% ny Solombavambahoaka lany tamin’ny vondrona IRMAR izahay no nametrapialana tsy ho ao anatin’ny vondrona parlemantera IRMAR eto anivon’ny Antenimierampirenena intsony,
– Eo ny vondrona sy Antoko na Fikambanana, fa Solombavambahoaka aloha izahay ary toy ny vahoaka ihany ka rehefa nahatsapa ny taraina sy fitakiana ireo zo fototra nataon’ny tanora sy ny vahoaka kanefa tsy takona nafenina fa nisy ny herisetra ho valin’izany, dia nanapakevitra antsitrampo izahay rehefa nifandinika fa nametrapialàna tsy ho ao amin’io vondrona parlemantera Irmar io intsony fa hiarahanarina ny fiainan’ny vahoaka sy ny Firenena amin’izay anjara tandrify anay miaraka amin’ny Fitondrampanjakana tarihin’ny Filohampanjakana Colonel Michael RANDRIANIRINA,
– Mpanao lalàna izahay ka tsy maintsy manaradalàna.
– Nandritra ireny korontana ireny, niarahanahita fa tany toa tsy nisy Fanjakana sy herisetra samihafa nandalovan’ny Firenena ka ankasitrahinay etoana ny miaramila izay nanaporofo fa tandroka aron’ny vozona nandray ny andraikiny nampiverina indray ny filaminam-panjakana sy ny fiainam-bahoaka,
– Isaorana koa ireo solombavambahoaka namanay tsy ankanavaka miaramisalahy aminay amin’ny fanomezan-tànana feno tsy misy fepetra ny Filoham-panjakana Michael RANDRIANIRINA hanorenana rafitra sy fitantanana vaovao ho an’i Madagasikara
Farany:
– Mijoro eto izahay solombavambahoaka anisan’ny handrafitra ny majorité présidentielle ato amin’ny Antenimierampirenena, anisan’izany , ny Vondrona GPRI, ny Vondrona UPAD, ny Irmar nametrapialàna tao amin’ny Vondrona parlemantera sy ny sisa tsy voatanisa vonona hifanolotanana amin’ny vahoaka ho amin’ny fanovàna tena izy ary hitondra ny vahaolana manandrify ny andraikitray amin’ireo fitarainana maro tao anatin’ireny tolona fitakiana ny zo fototra ireny.
Natao teto amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza anio 25 septambra 2025