vahaolana délestages

Vahaolan’ny Délestage eto Antananarivo sy ny manodidina : Hisy « groupe » matanjaka ampiasaina avy hatrany

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Anr

Nanome baiko ny amin’ny hampihenana ny Déléstage eto Antananarivo sy ny manodidina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nisy ny fidinana ifotony notanterahiny, teny amin’ny foiben’ny Jirama Ambohimanambola, androany 30 oktobra.

Mampitaraina ny maro ny fahatapahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina, herinandro maromaro izay. Samy voa avokoa na ny olon-tsotra, na ireo mpiasatena, na ireo orinasa. Maro ireo tanàna efa nahitana fitokonana noho ny fitakiana ny fiverenan-jiro. Misy ireo olona mitaraina fa zara raha mandeha adiny roa isan’andro ny jiro. Izany indrindra no nahatongavan’ny filoham-pirenena teny Ambohimanambola.

Fifanakalozan-kevitra

30 miliara ariary isan-taona no alohan’ny fitondram-panjakana amin’ny Jirama. Tafiditra ao anatin’izany ny solika izay ampandehanana ireo « groupes » tokony ampiasain’io orinasa io. Tsy nihena mihitsy ny fanohanana ny Jirama, nefa mahagaga izao fahatapahan-jiro tsy mahazatra izao, na dia ao anatin’ny fotoan’ny haintany aza isika, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nanome ohatra ny amin’ny fahatapahan-jiro nandritra ny tontolo andro teny Ivandry,

Lire la suite »