Fifidianana Loholona: hatao ny 29 Desambra 2015

Publié le Mis à jour le

Araka ny notapahin’ny Filan-kevitry ny Governemanta dia ho tanterahina amin’ny faha-29 Désambra io fifidianana io mba ahazoana mametraka ireo andrim-panjakana rehetra voafaritry ny Lalàm-panorenana (Sénat, Haute Cour de Justice, Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie, sns…).  Ny Lapan’ny Loholona eo Anosikely

Tsiahivina fa ireo Ben’ny Tanàna sy Mpikamban’ny Filan-kevitra monisipaly sy kaominaly no ho mpifidy amin’izany, ary ny rafitra vao ho hatsangan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana tsy ara-potoana tanterahany manomboka anio eny Tsimbazaza no hisolo ny CENI-T teo aloha. Ary satria voafetran’ny lalàna fa tsy azo atao eo anelanelan’ny 30 Novambra sy ny 30 Aprily (fotoam-pahavaratra) ny fifidianana eto Madagasikara, dia tsy maintsy notapahan’ny Filan-kevitra ambony momba ny Lalàm-panorenana fa misy ny antony tsy azo hanoharana (cas de force majeure), ka ho tanterahina ihany izany satria tsy ny olon-drehetra no hifidy fa ny mpifidy lehibe ihany.

R.M.

Laisser un commentaire