APV-VF2 Mahamasina Avaratra: faha-10 taona

Publié le Mis à jour le

Lagraoty fahatsiarovana ny faha-10 taonan’ny APV-VF2 Mahamasina Avaratra

Lanonana tsotsotra nefa mifono hevitra lalina no nentin’ireo kristianina ao amin’ny APV VF2 Mahamasina Avaratra nanokatra ny tsingerin-taona fahafolo nitsanganan’izany APV (Ankohonam-Piangonana Velona) izany eo amin’ity Faritra ity, dia ny fananganana lagraotin’i Masina Marina izay notsofina rano androany Asabotsy faha-21 Janoary 2017.

I Mompera Andriamirado Claude Eric (Rado) Vikeran’ny Paroasy no nitarika ny fotoana rehetra tamin’izany, izay niatomboka tamin’ny Lamesa sy Fankalazana ny Eokaristia masina, nitohy tamin’ny fitokanana sy fitsofan-drano, ary niafara tamin’ny fiaraha-miala hetaheta miaraka amin’ny tsakitsaky karazany maro.

Tsindrio eto na ny sary eo ambony mba hijerena ny tatitra an-tsary mirakitra izany lanonana izany. Rahefa tafiditra ao ka hijery « Diaporama », dia tsindrio ilay « rectangle » kely miendrika « télé » misy « flèche » ery ambony ankavanana.

Lamesa amin’ny teny frantsay

Nampiomanin’i Mompera Rado sahady ny mpino rehetra tamin’io fotoana io, indrindra ireo manana havana mipetraka any ampita, na izay havana na namana sendra mandalo eto an-tanindrazana, fa manomboka ny Alahady faha-05 Martsa 2017 dia hisy Lamesa amin’ny teny frantsay hankalazaina isaky ny Alahady voalohany eto amin’ny Eglise Saint Joseph Mahamasina manomboka amin’ny 11 ora maraina.


Nisy ny fivoarana tato aoriana ka niova ho in-droa  isam-bolana io Lamesa io ny Sabotsy manomboka amin’ny 05h00 hariva.

Laisser un commentaire