Fanadihadiana – ny fanjakana Antemoro: Sombin-tantarany avy amin’ny FIZA

Publié le Mis à jour le

Ndrenogny Ramasitrakarivo Marc Brillant no mpanjaka vaovao

(Hita ery ambany ny Lisitr’ireo Mpa,jaka Antemoro nifandimby)

Ny talata faha 26 novambra 2019 teo no nanaovana ny fandrangitana na ny fanandratana an’i Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Marc Brillant, izay Ampanjaka ao Ivato-Fenovola Vohipeno ao Matetanana. Izy no Ndrenogny nisolo an’ i Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Martin Gérard, izay nodimandry andro vitsivitsy izay.

Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Marc Brillant izany no Ampanjaka faha 26 nanjaka tao Ivato–Fenovola hatramin’ny nanjakan’i Ndrenogny Andriamarohala na Ramarohalagna  na koa antsoina hoe Ramarohala nanomboka ny taona 1504 tao Matatanana Vohipeno.

Marihina fa izy no Ndrenogny ampanjaka faha 28 avy amin’ny Reis Imam Orkhan Herios izay nantsoina hoe RAMAKARARO izay zanaky mpanjaka jiosy Mosa Mouhamad Kananita hanorina fanjakana teto Madagasikara ny taona 1336. Ity mpanjaka Jiosy avy any Kanana avy any Israely ity no rain’ny fanjakana Malagasy.

Marihina fa 300 taona taty aorianan’ny niforonan’ny fanjakana Antemoro naorin’i Ramakararo vao niforona ny fanjakana ambaniandro teo Imerina tao Ambohitrabiby ny taona 1575. Nifanarakaraka tamin’izany koa ny fanjakana Betsileo sy Sakalava.

Ireto avy no mpanjaka Anteony Antemoro izay nanjaka tao Vohipeno nanomboka tamin’ny taona 1336-1337 ka hatramin’ny taona 2019 izao.

Alohan’ny hampahafantarana antsika ny Ndrenogny izay ampanjaka Anteony, izay lehiben’ny fanjakana Antemoro dia tsara ho faritana fa ny fanjakana Antemoro dia ny fitambaran’ny Anteony izay taranak’i Ramakararo, ny Antalaotra izay misy ny Antesavagna taranak’i Andriatsimeto Ragnaha sy ny Anakara izay taranak’i Ramalitavaratra na Aly-Tawarath, ary ny Ampanabaka. Ireo telo ireo no antsoina hoe Andriambitelo tsy mahazo misaraka raha miresaka ny fanjakana Antemoro.

1) 1336-1337-Reis Imam Orkhan Herios na Ramakararo izay Jiosy Kananita avy any Moyen Orient, izay taranak’i Abrahama, taranak’i Isaka, Jakoba, Josefa na Zozofa, i Moizy na Mosesy, Davida na Daoud, Salomon, ary Daniel. Nifindra monina tany Turquie tao Asie Mineur, Colophon, Othoman alohan’ny nifindrany tao La Mecque (Imaka) izay vao nifindra taty Madagasikara ka i Vohemar na Iharambazaha  no nipetrahany voalohany izay vao tao Matetanana.

Tsara koa ny hahafantarana fa ny Antemoro antsoina hoe Onjatsy dia efa tonga talohan’izy rehetra ireo tao Vohipeno ka vehivavy avy amin’io no renin’ny Anteony-Antemoro izay nantsoina hoe Ratandramasy izay vadin’i Ramosamary.

2- Ralivoziry na Aly-Vizir zanak’i Ramakararo. Tao Ambohabe na “Abou-Abbé”  no nisy ny fanjakany. Io toerana io no antsoina hoe “Andriamarohala” izay toerana masina amin’ny Antemoro manontolo. Ao no anaovana ny “taonjoma” na Andriamarohala izay tanterahana isaky ny fito taona any Matitanana.

3)-1427-Ramosamary izay zanak’i Ralivoziry ka nanambady an’i Ratandramasy avy amin’ny Onjatsy Soromala izay renin’i Ramarohala

4)-1428-1504- Andriamarohala na Ramarohala izay namboatra ny lapa ao Fenovola-Ivato izay foiben’ny fanjakana Antemoro manontolo ao Vohipeno ary rain’ny fanjakana Malagasy izay angalana ny tso-drano hoan’izay olona hieritreritra hitondra firenena sy mitondra firenena noho ny hasin’ny Fanjakana Antemoro izay tarihin’i Ndrenogny sy ny lapa Masina ao Fenovola ity.

I Fenovola-Ivato Vohipeno no Lapa tokana eto Madagasikara manana sy mitazona ny hasin’ny Malagasy izany. Ny taranak’i Andriamarohala 12 lahy no antsoina hoe Anteony izay mipetraka amin’ny tanàna 24 ao Matetanana. Izany koa no mahasaro-pady ny Sorabe izay nentin’izy ireo avy any Kanana izay mirakitra ny maha zanak’i Abrahama ary maha olona hosotr’Andriamanitra azy ho rain’ny fanjakana sy hangalana ny ampanjaka.  Ireto avy izy ireo.

-Rambo no lahimatoa izay manana ny foibeny ao Ankily Vohitramba Anoloka Vohipeno. Izy no nanangana ny nanjaka tany Ikongo (Tanala), ka ny taranany no antsoina hoe Zafirambo. Ny taona 2017 dia natsangan’i Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gerard ny Lapa Zafizambo ao Ambatolahy na Atsinanan’i Vazaha Ambatofinandrahana any Amoron’i Mania noho ny taranak’i Rambo nanorim-ponenana any rehefa avy niady tamin’i Radama-1 ny taona 1820. Rehefa vita ny fifinarahana teo amin’ny Antemoro sy ny Ambaniandro fa tsy hifanafika intsony dia nanorim-ponenana tao Ambatofinandrahana ny filohan’ny tafika izay Zafirambo izay nantsoina hoe Tsifolakasy ka nitondra ny anarana hoe Razanaka Ramasindia ka izao nanorenana lapa izao nametrahana Ampanjaka  Randriambe araka ny fomba Antemoro.

– Ndrekazomambo na Antimahazo izay nanangana fanjakana ao Matitanana  ambony. Ao Mahasoabe ankehitriny raha toa ka tao Ankarinoro no nitoerany voalohany.

Ny taranany antsoina hoe Ndrekazomambo izay

niteraka an’i Andriandrambobemalaza izay rain’i Mpanalina izay mpanjaka voalohany tao Ambositra sy Ratrimo izay mpanjaka tao Fandriana.

-Ndremandia na Ndremandialamba, nanjaka rehefa nodimandry Ndretomambe tao Fenovola. Ny taranak’i Ndremandia no antsoina hoe Antesakoana ao Voasary.

z-Randrasambo na Antesambo izay nanjaka any amin’ny faritra Matitanana ambony ao Vohipeno ihany. Ankarisambo no renivohitra nisy ny lapa. Matsaromenty, Antebe  ary Antendrefa no misy ny tranobe ankehitriny.

-Ndrekofoky

-1504-Ndretomambe izay nanjaka tao Fenovola voalohany ka nandimby ny rainy Andriamarohala. Voalaza fa Ndretomambe no faralahy tamin’ny zanak’i Ramarohala sy Ravahinia izay Antambahoaka avy any Mananjary-Raminia.

Ireto no zanak’i Andriamarohala izay anteony fa tamin’ny vadiny hafa:

-Ndrekatibofotsy, Ramarofaho, Andriamivato, Ndrembary, Ndretombato ary Ndretomamasay.

Ndrenogny Ramasitrakarivo izay ampanjaka ao Fenovola Ivato dia taranaka nifandimby avy amin’i Ndretomambe ity hatramin’izay ka hatramin’izao.

1504-Ndretomambe

1574- Andriamasy

1575-1739 izay laharana faha 5-10 dia ireto avy no ampanjaka nifandimby:

Ramanjato, Randrasoa, Ramarofatana, Ramarikarivo na Ramanirakarivo, Randriamanafolavitra, Randriamaronato

1740-1779 dia ampanjaka roa no nifandimby:

11- Rabesarivo

12-Andriamboniarivo

13-1740-1779 Ravoajanahary io no

ampanjaka nifandray tamin’Andrianampoinimerina ka nandefa ireo “olonkendry antemoro” nampianatra taty Imerina ny fanandroana sy ny sorabe( volagnonjatsy) ary ny mari-trano avy amin’ny fomba sy sivilizasiona  arabo sy jiosy avy any Moyen-Orient izay nentiny taty Madagasikara.

14)1780-1789-Ramahafolakarivo

15)-1817-1849 Ramahavaliarivo

16)-1849-1860 Ratodiarivo

17)-1860-1862 Rafiatera

18)-1862-1870 Andriambolamena

19)-1870-1872 Ravelonarivo

20)-1872-1927 Ramasitrakarivo –I (nanomboka teo dia nitondra ny anarana hoe Ramasitrakarivo ny Ndrenogny tao Ivato –Fenovola  Vohipeno

21)-1827-1947 Ramasitrakarivo Eugène

22)-1947-1980 Ramasitrakarivo Pakitra

23)-1980-1984 Ramasitrakarivo Rabary

24)-1984-2013 Ramasitrakarivo Jean Pierre

25)-2013-2019 Ramasitrakarivo Martin Gérard

26)-2013 … Ramasitrakarivo Marc Brillant

Tantara izay atolotrin’ny biraon’ny FIZA (Fikambana Zanaka Anteony) eto Antananarivo tarihin’ny filohany, Capitaine Mamy Thomas , ny Colonel Luc Hariniaina, Ramahafaly Thiery,  Ramarolahy Mahatsara Alexandre sy Fidelis Razafimahandry ary  Randriambe Jesy Rabelaolao, Zafirambo avy ao Ankily Vohitramba Vohipeno, mpanao gazety.

(source: La Gazette de la Grande Ile du 11 Décembre 2019) – Mbola hitohy …


Fanjakana Antemoro: ny firafitra ny fitondrana sy ny fitantanam-panjakana ary ny vina (tohiny)

Araka ny efa nambara teto tamin’ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny 10 desambra 2019 dia i Ndrenogny Ramasitrakarivo Marc brilliant no ampanjaka ao Ivato Fenovola ao Vohipeno. Izy no ampanjaka Ndrenogny nisolo an’i Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard izay tsy iza fa ny zokiny ihany rehefa niamboho ity farany.

Teo aloha dia notanisaina teto ny Ndrenogny Ampanjaka nifandimby tao Matitanana tao Vohipeno nanomboka ny taona 1336 ka hatramin’ny taona 2020 izao. Efa ho 684 taona izao no nijoroany ary mbola tsy rava mihitsy. Rafi-panjakana nentin’i Reis Imam Orkhan Herios na Ramakararo izay mpanjaka Jiosy Hebreo avy any Kanana nifindra monina eto Madagasikara no rafitra mbola iainan’ny Antemoro izay notarihin’ireto Anteony ireto.

Manana ny “vina” ny “rafitra” ary ny “andraikitra” ny fanjakana Antemoro ka ny Sorabe no mamaritra izany. Boky nolovainy avy amin’i Abrahama na Ibrahim izay razamben’izy ireo izany. Io no boky voalohany nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona. Ity boky ity no mibaiko ny fiainan’ny Antemoro. Ny fitsaboana, ny fitondrana fanjakana ary ny fivavahana no ao anatin’ny Sorabe. Hajain’ny Antemoro rehetra izany. Manana ny lapa tokana itambarana ny Antemoro izay ao Ivato-Fenovola. Ny Antemoro rehetra izay ivondronan’ny Anteony, ny Antalaotra izay ahitana ny Anakara taranak’i Altawarath ao Vatomasy sy ny Antesavagna izay taranak’Andriatsimeto Ragnaha, ny Onjatsy ary ny Ampanabaka antsoina ihany koa hoe Fagnarivoana.

Samy manana ny andraikiny mazava tsara hatramin’izay izy rehetra ireo.

Mba hahamora ny fandraisantsika izany fanjakana ao Vohipeno izany dia toa izao ny sary fohy manambara ny rafitra iainan’ny fanjakana Antemoro hatramin’izay ka hatramin’izao.

Natolotra ny Biraon’ny FIZA ( Fikambanan’ny zanaka Anteony Antananarivo notarihin’ny filohany Capitaine Thomas, Colonel Hariniaina Jean Luc, Ramarolahy Alexandre, Randrianirina Thiery, Fidélys ) ary Randriambe Jesy Rabelaolao.

(source: La Gazette de la Grande Ile du 18 Février 2020) – Mbola hitohy

Fomba Antemoro: ny Sorabe sy Sakandro

Laisser un commentaire