Fanak’i Rainilaiarivony ao amin’ny Rovan’Amboditsiry

Publié le Mis à jour le


Antso avo avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay miandraikitra ny harem-bako-pirenena mahakasika ny fanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony tao amin’ny tranony tao Amboditsiry izay tsy hita nanomboka ny taona 2001
➡ANTSO⬅
✅Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manao izao fampahafantarana sy antso izao mba tsy hahatompon-trano mihono ny besinimaro.
✅Araka ny didim-panjakana laharana faha 78-257 tamin’ny 04 septambra 1978 dia voasokajy ho Harembako-pirenena. ny trano fonenan’ny Praiministra Rainilaiarivony Amboditsiry sy ireo fanaka rehetra nampiasainy tao.
✅Noraisin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina an-tanana ny fanarenanana ny trano izay potika sy simba ary vita tanteraka ny fanarenana azy ankehitriny.
✅Na izany aza anefa dia tsy hita avokoa ireo fanaka nampiasain’ny Praiministra Rainilaiarivony notehirizina tao amin’io trano fonenana io hatramin’ny taona 2001. Marihina fa ananan’ny Minisitera avokoa ny isa sy ny lisitr’ireo entana ireo, izay efa voasokajy ho harem-bakoka.
✅Koa iangaviana izay rehetra manana na mitahiry na mahita ny toerana misy ny fitaovana na fanaka izay tao amin’io trano fonenenan’ny Praiministra Rainilaiarivony Amboditsiry io mba hifanome tanana amin’ny Minisitera amin’ny fanangonana ireo harem-bakoka ireo ka hanatona avy hatrany ny Fitaleavana ankapoben’ny Kolontsaina, Tranombokim-pirenena, Anosy.

(source: Facebook Ministera)

Laisser un commentaire