Misaona ny tontolon’ny baolina kitra
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana antsika ny fahalasan’i Tompokolahy DEBON Jean François, Tale Teknika Nasionaly eto anivon’ny Federasiona, izay nitranga io alina io.

Ny Filohan’ny FMF, ny komity mpanatanteraka, ny mpiara-miasa sy ireo ratsamangaika rehetra mandrafitra ny baolina kitra Malagasy dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviny.