Fiomanana amin’ny fifidianana Manao “Mada raid” ny AREMA

Publié le Mis à jour le

Manomboka mihetsiketsika ny etamazaoro politika volana vitsivitsy mialoha ny taom-pifidianana eto Madagasikara.

Ho an’ny Antoko Revolisionera Malagasy na AREMA dia mitohy ny “Mada raid” na fitetezam-paritra tontosain’ity Antoko naorin’ny Amiraly Didier Ratsiraka ity. Tao Toliara ny birao politika notarihin’ny Sekretera nasionaly Annick Ratsiraka ny faran’ny herinandro teo, nihaona tamin’ireo mpikambana AREMA any an-toerana. Nanentana sy nampiomana ireo mpikambana ny birao politika hiomana amin’ny fifidianana ho avy. Nisy araka izany ny fananganana ny rafitry ny Antoko ao an-toerana.

Nohamafisin-dRtoa Annick Ratsiraka indray fa handray anjara amin’ny fididianana rehetra ho avy eto Madagasikara ny Antoko AREMA, manomboka eny amin’ny Fokontany, Kaominina, Faritra ka hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Jean D. – tiatanindrazana.mg

Laisser un commentaire