Norbert Lala Ratsirahonana: « tsy manohitra ny hanaovana Fikaonandoham-pirenena ny AVI, fa mila famaritana mazava tsara »

Publié le Mis à jour le

Iray taona mahery herinandro vitsy mialohan’ny tsy maintsy hialan’ny Filoha Rajoelina eo amin’ny fitondrana, raha toa ka mikasa ny mbola hilatsaka hofidiana izy – araka ny efa voatomban’ny maro – dia nanao fanambarana Atoa Norbert Lala Ratsirahonana nanoritany ireo teboka « tokony » maro ho an’ny Antoko AVI, manoloana ny toe-draharaha amin’izao fotoana.

Inoana fa tsy kisendrasendra izao fanambarana izao fa manoro ny lalana tokony hizorana raha ao ny finiavana; indrindra avy amin’ny fitondrana, hamaritana miaraka amin’ny hery velona ireo hevi-dehibe. fototra hiankinan’ny ho avim’ny Firenena malagasy

Laisser un commentaire