Fifanarahana sy varotra fitaovam-piadiana: manampy ny rafitra malagasy ireo Fikambanana iraisam-pirenena
Araka ny fantatry ny rehetra dia maro ireo fitaovam-piadiana miparitaka eran’ny vazan-tany rehetra eto amin’ny Nosy any kanefa tsy hita fototra na fantatra mazava ny fihaviany sy ny fifehezana azy. Izany dia miteraka tsy fahamarinan-toerana na eto amin’ny sehatra anatiny na eo amin’ny Faritra Ranomasimbe Indiana.