Antoko Arema : “Tsy azo ekena ny herisetra sy ny fampiasan-kery…”
“Tsy ankasitrahanay ny herisetra tamin’ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mai teo. Mirary fahasitranana ho an’ireo naratra”, hoy ny fanambaran’ny Arema. Nohitsin’izy ireo fa tsy mamaha olana eo amin’ny tsy fitovian-kevitra ny fihenjanan’ny tady sy ny herisetra. Mandranitra fizarazarana sy fahalovana ary fahapotehan’ny hoavin’ny firenena ny fampiasan-kery amin’ny hetsika am-pilaminana, araka ny fanambarana.
Niantso ny mpiantsehatra rehetra, toy ny raiamandreny am-panahy sy ara-drazana, ny sehatra iraisam-pirenena mba hifanatona ny Arema. “Hifampiresaka hanarenana ny fahasamihafana, hikatsahana marimaritra iraisana sy mitombina ho an’ny ho avy”, hoy izy ireo. Niaiky ny Arema fa vahaolana mahomby ivoahana amin’izao fifandroritana izao ny dinika anaty fifanajana sy ny fihavanana ka hametrahana ny demokrasia tena izy.
Miara-monina amin’ny Nosy iray isika ka manery ny rehetra hifandinika izany ho tombontsoa ambonin’ny firenena, araka ny fanambarana hatrany.
Niantso ny mpitandro filaminana koa ny Arema mba hiaro ny firaisam-pirenena ka hanome lanja ny fifanakalozan-kevitra ary hijoro mandrakariva ho an’ny tanindrazana mandritra ny fanatanterahana ny andraikitra sahanina.
(source: Synèse R. – newsmada.com)