Antenimierandoholona Anosikely: tsy nanaiky hametraka samboady an’ny Honorable Richard Ravalomanana ny Filohan’ny Sénat malagasy Herimanana Razafimahefa

Publié le Mis à jour le

Nangataka fivoriana mikaton-trano « à huis clos » ny Filoha lefitra Nicolas Rabemananjara. « Nanao fanambarana indroa misesy izay tsy mifanandrify velively mihitsy amin’ny Fihavanana malagasy ity mpiray tanindrazana amiko (Richard Ravalomanana) ity », hoy ny Filoha Herimanana Razafimahefa.


Nofaranan’ny Filohan’ny Sénat tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ‘tsy manara-dalàna » [hoy izy]. Taorian’izay dia notanterahan’ireo loholona tavela ny fanonganana azy tsy ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity [noho ny antony tsy ara-dalàna (hoe « marary saina »), hoy ihany ity farany].

Laisser un commentaire