Lalaon’i Afrika – «Ping Pong» : nahena ny mpilalao ho any Ghana
Afaka folo andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”, hatao any Ghana i Madagasikara. Ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, nahenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) ho efatra ny isan’ny Malagasy mpilalao hiaro ny voninahimpirenena amin’izany.
Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Ping- Pong (FMTT), nakarina ho enina indray io isan’ny atleta ho any Ghana io noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’izy ireo sy ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby. Tsiahivina fa miisa valo ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy tany am-boalohany nefa izao nahena izao rehefa nivoaka ny “quota”-n’ izy ireo avy any amin’ny minisitera.
Hiaro ny voninahi-pirenena i Fabio
Anisan’ireo Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra hiaro ny voninahi-pirenena, sokajy lehilahy, Rakotoarimanana Fabio. Tsara ny mampahatsiahy fa vao avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, natao tany Busan Korea Atsimo, ny tenany, ny 16 – 25 febroary teo. Ankoatra an’i Fabio, hanatevina ny ekipa Malagasy, lehilahy, Rakotoarisoa Mamy Setra, tompondakan’i Madagasikara intelo sy Rakotoarisoa Mamy Riva, nandromboka ny fifaninanam-pirenena farany teo.
Ho an’ny vehivavy, ilay atleta mila ravinahitra, Raharimanana Hanitra Karen sy Rakotondrazaka Océane ary Rakotonirainy Fitia no hisolotena antsika any.
(source: Fitia Randria – newsmada.com)
Jeux olympiques – Ping: 2 tournois qualificatifs attendent les Malgaches
La quête d’une qualification directe aux Jeux olympiques (JO) de Paris 2024, est toujours d’actualité pour le tennis de table malgache. Selon le calendrier des compétitions dévoilé hier par la Fédération malgache de tennis de table (FMTT), il reste encore deux tournois qualificatifs au programme des pongistes malgaches. Il s’agit des Jeux africains d’Accra (Ghana), du 3 au 10 mars et du tournoi de qualification de Kigali (Rwanda), du 10 au 12 mai.
A Accra, Fabio Rakotoarimanana et Setra Rakotoarisoa seront les figures de proue de l’équipe masculine malgache, visant les deux places qualificatives. Côté dames, Océane Rakotondrazaka et Fitia Rakotonirainy accompagneront Karen Raharimanana.
A Kigali, Fabio Rakotoarimanana sera de nouveau en lice, avec Antoine Razafinarivo qui sera le grand absent à Accra la semaine prochaine. Chez les femmes, deux expatriées, Karen Raharimanana et Santatriniaina Raharijaona, représenteront Madagascar. Ces quatre pongistes malgaches partiront également à la conquête de la Coupe d’Afrique qui se tiendra les 5 et 6 mai, toujours dans la capitale rwandaise.
(source: Naisa – newsmada)
