Christine Razanamahasoa: kandidà « tsy miankina » milatsaka fidiana ho Solombavambahoaka ao Ambatofinandrahana indray
Namaly ny mpanao gazetin’ny RFI voalohany Ramatoa Razanahasoa Christine hatramin’izay nanalana azy tsy Filohan’ny Antenimierampirenena intsony. Nilaza ho tsy nanenina nitoroka ny tsy fetezan’ny fiainam-pirenena misy ankehitriny ny tenany. Nanambara ihany koa fa afaka tamin’ny vesatra sy ny tsindry nahazo azy.
Efa talohan’ny Fifidianana Filohan’ny Repoblika 2018 i « Deba » (Amiraly Didier Ratsiraka) no nampitandrina ny rehetra tamin’ny « Conférence souveraine » teny amin’ny CCI-Ivato fa « misy loza be mitatao amin’ny Firenena ka tokony hialana », koa aleo « hahemotra ny fifidianana mba ahazoana manitsy « amim-pilaminana » izay tsy mety rehetra, ho tombontsoa ambonin’ny Firenena, » Mbola tsy nanafika an’i Ukraine i Russie tamin’izany fotoana izany fa loza hateraky ny tsy fanarahan-dalàna no tiany hambara.