Oniversiten’Antananarivo : Hampianatra eny ny profesora Jasbir Chahal

Publié le

(©newsmada.com)

Tonga eto Madagasikara ny profesora Jasbir Chahal ary voafantina ho Fulbright US Scholar hisehatra eto an-toerana. Ato anatin’ny enim-bolana manaraka, hiara-miasa akaiky amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole doctorale Mathématique et application (EDMA), anatin’ny departemantan’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, izy.

Hitarika atrikasa sy fampianarana, hizara traikefa ho fanamafisana ny fampianarana matematika eto Madagasikara sy ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-akademika maharitra eo amin’ny firenena roa tonta ny tenany.

Matematisianina sy mpampianatra sangany, manana traikefa mihoatra ny efapolo taona tao amin’ny Brigham Young University (BUY) any Utah, ny profesora Chahal. Fitaratra amin’ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony any Etazonia ihany koa izy. Tombony ho an’ny oniversiten’Antananarivo, araka izany, ny fananana azy satria tsy ny oniversite rehetra no hisitraka ny fampianarany sy ny traikefany fa ireo mpianatra ao amin’ny departemantan’ny siansa ihany.

(source: Tatiana A – newsmada.com)

 

Laisser un commentaire