CENI; fifdianana Ben’ny Tanàna

Fifidianana Ben’ny tanàna : Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra teto Antananarivo ny CENI

Publié le Mis à jour le

ÉLECTION COMMUNALES – Ambiance électrique à la Ceni Alarobia

Dama Andrianarisedo a déclaré que la Ceni est prête pour l’organisation des élections.

Un face-à-face inattendu. Hier, une rencontre avec les parties prenantes des élections municipales a été initiée par la Commission électorale nationale indépendante (Ceni). Plusieurs personnalités politiques importantes étaient présentes lors de l’événement. Des membres du gouvernement, des parlementaires, et plusieurs leaders de l’opposition ont été aperçus à Alarobia. À l’issue des discours des responsables de la Ceni sur les détails des préparatifs électoraux ainsi que le calendrier électoral, les politiciens se sont donnés à cœur joie à la séance de questions-réponses. Chacun avait eu une minute trente secondes pour s’exprimer.

Dans leurs allocutions, les membres de l’opposition ont fustigé les irrégularités des précédentes élections. –(… lire la suite)

Copyright Image : © Ceni

Toy ny amin’ny fifidianana rehetra izay efa natao dia nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ny CENI androany. Tao anatin’izany ny rafi-panjakana misehatra amin’ny fifidianana, ireo antoko politika, ny firaisamonim-pirenena, ireo mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ireo haino vaky jery. Fotoana iray nanazavana tamin’izy ireo ny mahasamihafa ity fifidianana ity amin’ny fifidianana efa nisy teo aloha izany.

Hita tao nandritra io fotoana lehibe ho an’ny CENI io ireo antoko politika mieritreritra ny hametraka kandida ho fidiana. Anisan’ny hita tao ohatra i Marc Ravalomanana avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ireo avy ao amin’ny vovonana fanoherana toy ny Hery Vaovaon’ny Madagasikara (HVM). Hita tao an-toerana ihany koa i Rinah Rakotomanga izay tsy miaraka amin’ny antoko hafa fa mahaleo tena sy ireo Tompon’andraikitra maro samihafa. Fivoriana voalohany notanterahin’ny CENI hanohizana ireo dingana rehetra momba ny fifidianana amin’ny 11 novambra ity. Nampahafantarina ireo tonga nanatrika rehetra fa samy manana ny andraikiny tsirairay izy ireo amin’ity asam-pifidianana ity. Anisan’ny zava-dehibe indrindra amin’izany asa izany ny fampanajana ny demokrasia sy ny fahalalahana. Nanamafy ny CENI fa manamarika ny fahavononan’ny tsirairay amin’ny fifidianana ny fahatongavana tamin’iny fiantsoana androany iny sy ny fandraisana anjara tamin’ireo fifanakalozan-kevitra.

Mandray anjara mivantana ny mponina

Nanamarika ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo fa mampiavaka ity fifidianna ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ity ny fampandraisana anjara mivantana ireo olom-pirenena momba ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny tanàna misy azy. Manana adidy araka izany ny kandida sy ny Antoko politika ny hanamafy ny fanentanana ireo olom-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Eo ihany koa ny Firaisamonim-pirenena izay hanabe sy hampianatra ary hanatanteraka ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana.

« Ho tontosa anaty fahendrena sy fanajana soatoavina malagasy hatrany anie ny dingana rehetra hotanterahina miaraka amin’izany fiaraha-miasantsika izany », hoy hatrany ny Filohan’ny CENI. Marihina moa fa efa vita ny herinandro lasa teo ny fampiofanana ireo OVEC amin’ireo Distrika miisa 120 manerana ny Nosy.

Hitohy hatrany ny sehatra ifanakalozana toy izao eny amin’ireo renivohi-paritany dimy ambiny ny 30 aogositra ary hanasana ireo mpisehatra isan-tsokajiny izany.

(source: moov.mg)