Kongresy TIM
Kongresy TIM: hatolotra ho Lehiben’ny Mpanohitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena Atoa M. Ravalomanana
Nohamafisin’ireo Mpizaika teny Tanjombato ny firotsahan’ny Antoko ho mpanohitra eo anivon’ny Antenimiera. Nohavaozina ny firafitry ny Antoko. Nangatahana koa ny Filohany, vao lany indray, Marc Ravalomanana hilatsaka amin’ny fifidianana ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo.