Manandafy Rakotonirina
Nodimandry i Manandafy Rakotonirina Filoha mpanorina ny MFM
Anisan’ny ngezalahy nanamarika ny fiainana politika teto Madagasikara tao anatin’ny taonjato iray misasaka Itompokolahy Manandafy (30 octobre 1938 – 15 mars 2019), ary imbetsaka nisedra ny ngidin’ny figadrana teo amin’ny Tolona ho an’ny madinika, notronon’ireo « Rouge et Expert » tamin’ny fotoan’androny, ary mpikambana ao amin’ny International Libéral ankehitriny. Nanana traikefa manokana tamin’ny fandinihina ny Fiaraha-monina malagasy, ary efa nirotsaka kandidà ho Filoham-pirenena nifanandrina tamin’Atoa Didier Ratsiraka. Homem-boninahitra farany ao amin’ny Palais des Sports et de la Culture ny nofo mangatsiakany. (Parcours résumé par Jeannot Ramambazafy)
Mirary fiononana feno ho an’ny Fianakaviany sy ireo mpiara-mikatroka taminy rehetra.
Famangiana fahoriana ny fianakavian’Itompokolahy Manandafy Rakotonirina tao amin’ny Palais des Sports et de la Culture tao Mahamasina
.