Mitchou Ami
RyKala Vazo: nodimandry i Mitchou Ami
Amin’alahelo lehibe tokoa ny nandrenesan’ny mpankafy rehetra fa nantsoin’ny Ray hiala sasatra any Aminy i Mitchou; « andry » nanana ny toerany lehibe tokoa tao amin’ny Tarika RyKala Vazo. Nindaosin’ny fahafatesana na dia natao aza ny ezaka rehetra hitsaboana azy.
Andriamanitra tokoa no Tompon’ny Aina, koa dia mirary fiononana feno ho an’ny Fianakaviany rehetra sy ny Tarika nisy azy. Tohizo ny ezaka ho enti-maneho ny Fahasoavan-dehibe amin’ny Talenta nomen’ny Tompo anareo. Mandria am-piadanana Mitchou ! Mahereza daholo!
