RAJOHNSON Olivier Hugues Rija

Fanendrena – Nominations d’ambassadeurs de Madagascar

Publié le Mis à jour le

Conseil des Ministres du 18 Septembre 2019 à Iavoloha

Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay androany no maha minisitra miandraikitra io asa io azy farany, noho izy nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC androany.

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny :

  • Atoa RAJOHNSON Olivier Hugues Rija, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Française.)
  • Ramatoa Yvette SYLLA, dia voatendry ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris. (Ambassadeur, Déléguée Permanente auprès de Madagascar auprès de l’UNESCO à Paris, France.)
  • Atoa Albert Camille VITAL, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République de Maurice.)
  • Atoa Jean Omer BERIZIKY, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagascar auprès du Royaume de Belgique et de l’Union Européenne à Bruxelles.)
Yvette Sylla, Camille Vital, Omer Beriziky et Rija Rajohnson nommés ambassadeurs (photo: Madagascar Tribune)