rivodoza
Mialy Rajoelina sy ny Fikambanana « Fitia »nanohana ireo traboina tany Mananjary
Nifarimbona niaraka tamin-dry Masera sy ny ONG amerikana « World Central Kitchen » ny vadin’ny Filoha nanome sakafo ,adritra ny andro maro ireo mponina nisedra ny rivodoza nandalo taùin’ity taona ity. Nisitraka ny « Caravane de la Santé » izay tonga tany an-toerana koa ny vahoaka ka nahazo fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana.
Rivodoza – Forte tempête tropicale EMNATI
Zoma 18 Febroary 2022
Misesy ity ny A-Bi-Di … miàla any i EMNATI 🌀 dia ho raikitra ‘ndray izany izy ity.
▶ Manodidina ny Talata any izy vao vinavinaina METY hiditra an-tanety eo anelanelan’ny faritra Atsinanana sy Vatovavy ary Fitovinany fa aleo samy mailo ❗️ satria mety hahery vaika be indray izy ity (hivadika « Cyclone tropical intense »).
▶ Mbola betsaka ny zavatra mety mbola hiova amin’ny vinavina momba azy ity 🤔 satria mbola tena alavitra any amin’ny 1300 km Atsinanan’ny nosy izy hatreto kanefa araraoty ny andro mibaliaka be 😎 amin’ity faran’ny herinandro ity hiomanana tsara.
Ireto ny filazana loza:
🟢 Miloko MAITSO na loza fanairana : Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana
© Cyclone à Madagascar
(source: malagasy ve ianao FB)
