Ngetroka karana nalaina an-keriny tao amin’ny Saint-Michel
Fantatra araka ny vaovao voaray alina fa novotsorana tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any ilay teratany karana Rafik Jaffaraly, tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny tamin’ny faha-11 Aogositra lasa teo. Hatreo ihany anefa ny vaovao fantatra fa tsy misy ny antsipiriany. Tsy fantatra araka izany na nisy ny vola naloa na ahoana ary ohatrinona izany.
Tao anatin’ny folo andro tsy nahitana an’ity olona ity dia maro ny siosion-resaka re tetsy sy teroa mikasika iny fangalana an-keriny iny. Re, araka ny resaka izany, fa toa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara ariary any ho any ny vola notakian’ireo olon-dratsy. Araka ny voalaza ety ambony, dia ny faha-11 Aogositra ity tompon’ny tranom-barotra Conforama ity no nalain’ny sasany an-keriny teny amin’ny kianja fanaovana fanatanjahantena tetsy amin’ny Kolejy Saint-Michel Amparibe rahefa avy namitaka ny mpiambina teny an-toerana ireo olon-dratsy. Jiolahy miisa dimy no nitondra azy tamin’izay. Tsy afaka nanao na inona na inona ilay zandary mpiambina azy. Voalaza aza fa lasan’ireo mpaka an-keriny ny basin’izy io. Niaraka tamin’ny vadiny ity karana ity. Tsy natao na inona na inona kosa anefa ramatoa fa navela teo. Nanomboka teo ny fikarohana nefa dia niala maina na ny polsiy na ny zandary izay nisahana izany. Tetsy andaniny moa, noho ny tahotra, dia tsy afaka niara-niasa tamin’ireo mpitandro filaminana ireo mihitsy ny fianakavian’ilay karana.
Tsy mbola nandrenesam-peo kosa ny mikasika ilay karana faharoa nalain-dry zalahy teny amin’ny faritra Anosibe. Mipetraka moa ny fanontaniana hoe misy ifandraisany ve ireto fakana an-keriny roa ireto sa tsia. Ny tohin’ny fanadiadiana no hafantarana ny marina mikasika izany.