29 Mars 1947: faha-70 taonan’ny Tolom-panafahana
Ireo zava-dehibe tsara fantarina sy tsiahivina, arahina resadresaka sy fifanakalozan-kevitra mety hahaliana ny olom-pirenena rehetra. Ary satria efa misokatra malalaka koa ny « archives » miafina tany France, dia tokony hohatevenina amin’izay ny « Tantara ofisialy malagasy » sy ny fomba fampianarana azy any an-tsekoly.
Nisy fihaonam-pikarohana ara-tsiantifika iraisam-pirenena nandalinana ny tena zava-niseho marina tamin’ny 29 Marsa 1947 teny Tsimbazaza. “Firenena Malagasy afaka sy mahaleotena”, io no lohahevitry ny fihaonana. Nosafidiana m
anokana ity lohahevitra ity mba hahafahan’ny rehetra mahafantatra ny tantaram-pirenena satria tsy misy firenena mandroso raha tsy mahafantatra ny tantarany ny vahoaka ao aminy. Ankoatra ny mba hahafantarana ny zava-nisy marina dia natao ihany koa ny mba hiraisan’ny Malagasy hevitra momban’ ny tantara tamin’ny 1947 ny fotoana omaly. Betsaka noho izany ireo tahirin-kevitra nivoaka momba iny tantara iny raha ny nambaran’ny filohan’ny Akademia Malagasy.