FFKM mitory teny an’efitra: mila fiovam-penitra mahery vaika ny fitondrana ny Firenena

Publié le Mis à jour le

Tany Antsirabe Vakinankaratra no nanaovana ny fivorian’ny Komity Foibe faha-40-n’ny FFKM ny faha-23 ka hatramin’ny faha-26 novambra.

Nifantoka manontolo amin’ny toe-draharaham-piaraha-monina malagasy amin’izao fotoana ny vontoatin’ny fehin-kevitra navoakan’io Komity foibe io.

Natomboka ny FFKM tamin’ny toerana misy ny fiangonana eo anivon’ny firenena sy ny zava-mihatra amin’ny fiangonana ny resaka. Notsongain’ny Ffkm tamin’izany ny mbola fitohizan’ny famakiana sy fandrobana ary fangalarana ny Fanaka Masina ao amin’ny trano Fiangonana; ny Famonoana mpitondra fivavahana; ny Fandoroana Baiboly izay fototra ny finoana kristianina.

Ho an’ny Ffkm dia midika ho fiantsiana sy famakiana ady amin’ny mpanara-dia an’i Kristy izany.

Momba ny fiainam-pirenena ankapobeny dia notsiahivin’ny Ffkm fa “Heritaona lasa izay dia voalaza tao amin’ny fanambarana tamin’ny Komity Foibe faha-39 natao tany Toamasina fa ny tsy fanatanterahana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fampihavanam-pirenena mifototra amin’ny 4F (Fiaiken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) natao tamin’ny 28- 30 aprily sy ny 1-2 may 2015, no miteraka ny tsy fandriam-pahalemana, ny fahalovana, ny fihanaka ny zava-mahadomelina, ny tsy fanarahana rafitra, ny tsy fahalavorarian’ny tontolon’ny fitsarana, araka ny voalaza hoe : « Mihemotra ny rariny ary mijanon-davitra ny hitsiny, satria eny ankianja malalaka no voatohintohina ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po » (I Isaia 59: !4) ka niteraka ny fitsaram-bahoaka, sy « ny fahavoazan’izay mijoro amin’ny fahamarinana » (lsaia 59:15).

Mbola mitombina ary mihamitombo aza ireo toe-javatra voatanisa ireo hatramin’izao.

(… tohiny)


40è Comité central à Antsirabe : Le FFKM dénonce l’utilisation des deniers publics pour des activités de parti

Les Chefs d’Eglises ont lancé des critiques acerbes contre les tenants du pouvoir.

 

Laisser un commentaire