« Iles éparses »: voatendry ny solontena malagasy dimy (05)

Publié le Mis à jour le

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA – ALAROBIA 13 NOVAMBRA 2019

(…)

Miisa 5 ireo solontenan’ny Fitondrana Malagasy hiatrika ny fifampidinihana amin’ny Frantsay mikasika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny Ranomasimbe Indiana

Hodinihana amin’ny alatsinainy 18 Novembra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ka olona 05 no hisolontena ny fitondram-panjakana Malagasy.

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ireto olona manaraka ireto : Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny akademia malagasy izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany, Le Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, tale Jeneralin’ny APMF, Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite ny Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

Fotoana izao hanehoana ny firaisam-pirenena fa adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana.

(presidence.gov.mg)

Raha ny vaovao farany dia nampiana an’Atoa Eric Ratsimbazafy ireo solontena ireo. Ito farany dia « Chargé d’études, Coordination du Centre d’études et d’analyses stratégiques » ao amin’ny Ministère des Affaires étrangères.


Laisser un commentaire