Ho mpiasa mpanompo vazaha eto Madagasikara isika Malagasy !
Fanadihadiana mampieritreritra lalina nataon’ny Gazety Lakroa.
Tahaka izao ny famintinana ny fiainana ara-toekarena eto Madagasikara. Fantaro, fakafakao fa efa nisoko mangina efa hatra ny ela ny vahiny mba hanjaka amin’ny taninao. Dia ahoana koa re ny manaraka…
Misy ihany koa lahatsoratra amin’ny teny vahiny manamafy io lozabe efa mihatra io ao amin’ny La Gazette-DGI.
Resaka angovo
– Ny JIRAMA dia karana sy vazaha no mamatsy azy amin’ny alalan’ny fividianana gazoala sy ny fanofana “groupe thermique” amin’ny Filatex-Engelec, karana Abdoul Rassoul, Henri Fraise-Caterpillar, Famille coloniale française, Agrekko (Grande Bretagne) faha-Tetezamita, Wartsilla (Pays-Bas) faha-Ravalomanana, Symbion-Vima, karana Souzar Bouka, Jovenna, Famille karana Hiridjee (Amin, Hassanein, Mustapha, Razali mirahalahy), First Energy, karana Atoa Danil Ismail, groupe Smtp-Socolait, tonga koa ny Tiorka. Vatsiatsika malagasy subventions eo amin’ny 300 Milliards d’Ariary ny subventions (Loi des finances).
Ny barrage hydraulique privé:
1- Hydelec, Cimelta-Tozzi Green (Italie) miaraka amin’ny groupe karana Rajabali ao Sahanivotry-Antsirabe
2- Volobe (andalam-panamboarana) izay ny Axian groupe (famille karana Hiridjee) no tompon’antoka
Ny mpamatsy gazoala ny JIRAMA sy ireo central diesel ireo dia
– Galana izay ny karana Atoa Iqbal Rahim no tompony (groupe Trimeta)
– Jovenna izay sady mpivarotra solika no sady tompona central diesel. Ny AXIAN Groupe (famille Hiridjee) ihany koa no tompon’antoka ny barrage ao Volobe-Tamatave