Nodimandry i Girard Razafindrafahatra (Tarika R’Imbosa)
Nodimandry i Girard, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe « Razedra ». Nangina ilay beso malazan’ireo Tarika ATAUM sy ny SOLIKA ary R’imbosa izao farany izao.
RAZAFINDRAFAHATRA René GIRARD, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny Arofenitra. Namita ny fotoam-piasany teo amin’ny Primature sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary Mpiandraiki-draharaha (Chargé d’Affaires) tao amin’ireo Masoivoho malagasy tany Alemaina, Kanada ary Etiopia.
Nanamarika indrindra ny Ba Gasy ary Feo beso nikoizana tao amin’ny ATAUM sy SOLIKA ary R’imbosa nandritra ny androm-piainany.
« Tsy mba misy tsy ho diso », « Vonimboahirana », « Dobla sento »… santionan’ny hira nasian’i Razedra ny « soniany ». « Poizina ! » hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson’i Razedra tao @ ATAUM 50 taona lasa izay ry zareo.
Vitsy tokoa mantsy ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka.
Miara miory amin’ireo mpankafy ny Kanto, ary Mirary fionona feno ho an’ny fianakaviany!
