Fankasitrahana sy Mari-boninahitra
Lanonana nankasitrahana sokajin’olona samihafa teo amin’ny sehatry ny Fandraharahana, Fitsaboana, Fanatanjahantena, Tafika malagasy.
Nisongadina manokana tamin’izany ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Chambre de Commerce et d’Industrie d’Antananarivo (CCIA).
Tetsy ankilany koa, noho ny fahafenoan’ny taona, dia nalefa nisotro ronono (ER) ny GCA (Généraux de Corps d’Armée) telo lahy, dia ny Jeneraly isany Roger Pierre Ralala, Béni Xavier Rasolofonirina, ary Dominique Jean Olivier Rakotozafy, izay samy nitana andraikitra ambony tao amin’ny fitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina. Ny mikasika ny Jeneraly Richard Ravalomanana, dia ho fantatra amin’ny fanovana governementa ny volana Janoary 2021 raha mbola ho tazonin’ny Filoha Rajoelina ho SEG ihany ity farany, na « hisaorana » amin’izay.
Ny azo antoka aloha hatreto, dia ny Jeneraly Richard Rakotonirina sisa no Général de Corps d’Armée amperinasa (Minisitry ny Fiarovam-pirenena) ao amin’ny Tafika malagasy.