TENY INDRAIM-BAVA

Publié le Mis à jour le

Ankasitrahana feno isika rehetra miezaka mamelomaso izao fikambanamben’ny taranaka izao. Singanina manokana eto John Hugues Randriamamonjy sy Moïse Ramilamintsoa.

Tsy mifankafantatra intsony isika taranaka. Mampalahelo aza fa mbola misy ireo tsy mahafantatra akory ny tetiarany mivantana. Maro koa no tsy mahafantatra tsara na tsy mahafantatra mihitsy ny tantara navelan’ireo razambentsika.

Koa fotoana izao hanarenana izany lesoka rehetra izany amin’ny alalan’ny fanatavezan-daharana itony fikambanamben’ny taranaka itony. Afaka manao bebe kokoa noho izany aza isika.

125 taona amin’ity 2021 ity tokoa mantsy no sahala amin’ny « voatapa-doha » isika taranaka Tsimiamboholahy sy Andafiavaratra taorian’ny nandefasana sesitany ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy nitifirana an’i Rainandriamampandry.

Nifarana tamin’izy ireo koa ny toe-tsaina mpitari-dàlana sy ny etika pôlitika isan’ny nampiavaka antsika indrindra talohan’ny fanjanahantany. Ary mbola tsy nisy nanatsara na namerina tsara tamin’ny laoniny taty aoriana.

Fotoanany angamba izao hampahatsiahivana izany rehetra izany amin’ny taranaka, sy amin’ny mpiray tanindrazana mihitsy aza.

RG Andriantsilavo

Laisser un commentaire