Tombola à 1.000 Ar/SMS pour une voiture neuve Hyundaï Atos
TETIK’ASA « AINGA HO AN’NY EPP »
Indro ary ny horonantsary izay nalefan’ny TV Plus Madagascar momban’ny Tetikasa « Ainga ho an’ny EPP » ho fanampiana ny EPP eto Antananarivo!!
Tetikasa izay karakarain’ny Rotary Club Antananarivo Ainga ary iarahana miasa amin’ny Cisco Antananarivo, isan’ny mpiara-miombon’antoka ny Telma,ny Bamada, ny Jumbo, ary ny Menuiserie Kanto.
Ilay Fiara Hyundai Atos vaovao dia hitanao isan’andro eny amin’ny Bamada Andraharo ary ho hitanao eny amin’ny Jumbo Ankorondrano ny Asabotsy 1 ary Alahady 2 Mai.
Ho an’izay mbola tsy nandray anjara, manasa anao andefa EPP amin’ny 034 34 34 340 (mpanjifa telma ihany) fa mety ianao no hahazo ilay Hyundai Atos vaovao izay hitanao amin’io horonantsary io.
Ny fisarihana dia atao ny 14 jona manomboka amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano.
Afaka mampitombo vintana ianao amin’ny fandefasana SMS arak’izay isa tianao!