Ampanjaka : Antsoina rehefa sahirana ny fanjakana
Tsy mipetraka amin’ny toerana misy azy ny Ampanjaka eto Madagasikara sy ireo raiamandreny ara-drazana.
Marina fa efa fanjakana repoblikanina no iainan’ny firenena ankehitriny nefa dia mbola manana ny hasiny sy ny toerany eny anivon’ny fiaraha-monina maro izy ireny. Ny fomba sy ny fandrindrana ny fiaraha-monina any amin’ny faritra maro dia mbola eo ambany fifehezan’ny Ampanjaka na ny raimandreny ara-drazana toa ny Tangalamena avokoa. Tsy hita ao anatin’ny Lalàmpanorenana Malagasy ny andraikitra sahanin’izy ireny, nefa dia mandray anjara be amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireny.
Raha marisarisa ny fanjakana ka manana olana ara-politika sy fiaraha-monina dia antsoina ny Ampanjaka sy ny Tangalamena ary ny raiamandreny ara-drazana handamina izany eto anivon’ny firenena. Rehefa olana tsy voavahan’ny mpanao politika dia antsoina ny ampanjaka hanao ny fandaminana.
Andavan’andro dia jerem-potsiny ireo raiamandrenin’ny Malagasy ireo. Atao fangalana tso-drano amin’ny fitadiavana toerana sy fanamafisana fitondrana. Iza moa no filoham-pirenena teto Madagasikara ka tsy nangataka tso-drano tany amin’ny lapam-panjakana ara-drazany ao Ivato-Fenovola ao Vohipeno hatramin’ny repoblika malagasy izay. Izay tsy nandalo tany dia tsy maintsy sahirana amin’ny fitantanana ary misy mihitsy no niafara tamin’ny fionganany. Ny mpanjakan Andriambelomasina teto Imerina , Andrianampoinimerina ary Radama voalohany dia tany no nihazakazahany hanamafisany orina ny Fanjakana Ambaniandro.
Nandamina sy nanana ny toerana teto amin’ny firenena Malagasy hatramin’izany ny Anpanjaka sy ny fanjakana Antemoro hatramin’izay ary fantatry’ny Malagasy rehetra izany. Tsy ny ambaniandro ihany fa hatramin’ny fanjakana Betsileo, Sakalava ary Tanôsy sy Mahafaly. Tantaran-drazantsika izany ary tsy afaka misaraka amin’ny fiaraha-monina Malagasy izay mbola iainana hatramin’izao. Mbola ny ampanjaka ihany no nandamina ny fizaram-paritra faha-23 ao Vatovavy sy Fitovinany izao.
Fotoana tokony hametrahana amin’ny toerany amin’ny fitazonana ny maha Malagasy ireo Ampanjaka sy raiamandreny ara-drazana ankehitriny satria tsy afaka miala amin’izany isika. Amin’izao fotoana izao dia misy fety lehibe izay ataon’ny foko Antakarana ao Ambilobe , izay atao hoe « Fisehagna » na ny « bain royal » ny 12 ka hatramin’ny 14 Aogositra 2021 izao. Mirakitra ny maha Malagasy izany ka tokony homena ny toerany sahaza azy.
