Ny Foko Bara

Publié le Mis à jour le

Ny foko BARA dia mifanila amin’ny Betsileo, ao Avaratra; ny Tanala, Antesàka, Antemoro, Antefasy no ao Antsinanany, ary Antanosy no ao Atsimo-Antsinanany; ny Antandroy kosa no ao Atsimo, ary ny vezo sy ny Sakalava no any Andrefany. Azo lazaina fa tsy manana sisin-dranomasina ny Bara, kanefa dia tsy azo sokajiana ho isan’ny mponina afovoan-tany (hauts-plateaux) velively.

Ny faritra misy ny Bara dia avy eo Atsimon’ny reniranon’i Zomandao sy Mangoky; ny havoanan’Analavelona no mamefy ny ao Andrefana ; ny reniranon’i Onilahy sy Mangoky Atsimoany Atsimo, avy ao atsimo ny reniranon’ i Onilahy sy Mangoky-Atsimo; ny reniranon’Itomampy ny any Antsinanana.
Ireo Mpanjaka nalaza :

RAKANJOBE. RAVATOVERERE. RABARARATAVOKOKY sy ANDRIANKEOHEO. RAPAPANGO na RAFIRARAZA sy ANDRIAMENA. ANDRIAMANELY sy ny taranany. ANDRIAMANAFOTSARIVO. RAMTONGOA. RAKITROKA RATSILEONDRAFY. TONANAHARY, Mpanjakan’ny Bara Be. Ny zanak’i Tonanahary : RETSILA RAMIEBA. RATSIMIVILY , Mpanjakan’ny Bara Imamono. REHANDRY : Ny ady tamin’ny Masikoro (1859) – Ny ady faharoa tamin’ny Masikoro (1875). REHANDRY II na IMPOINIMERINA. RATSIMAMOTOA sy ny zanany, Mpanjakan’ ny Bara Iantsantsa. Ny Foko Bara hafa.

I. NY FARITANY BARA

Toy izao ny mamaritra ny faritany Bara : avy ao avaratra ny reniranon’ i Zomandao sy Mangoky avaratra ; avy ao andrefana ny havoanan’ Analavelona ; avy ao atsimo ny reniranon’ i Onilahy sy Mangoky atsimo; ary avy ao atsinanana, ny reniranon’Itomampy. Ny tanàna lehibe any Bara, dia Ranotsara, Ivohibe, Ihosy, Ranohira, Ankazoabo. Be orana sy mando lava ao atsinanana. Lembalemba avo toerana sy havoana tomandava ao andrefana (Horombe, Isalo, Lambosina, Analavelona).

II. NY FOKO BARA

Mizara ho foko vitsivitsy ny Bara, tahaka izay hita eran’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Fa ny mampiavaka ny foko Bara dia ny fomba niforonany. Mpanjaka na Zanakandriana akaiky ny Mpanjaka no matetika niandohany. Noho izy te-hamorona fanjakana vaovao dia novoriany sy nangoniny ny fokom-pianakaviana, ny mpiady izay nanoa sy nanaiky azy mbamin’ny foko hafa nanaiky niandany taminy hanaraka azy ka navondrony ho Foko iray vaovao eo ambany fítarihany. Azo lazaina fa foko politika ny foko Bara, toy ny Bara Be any Ranohira, ny Bara Imamono any Ankazoabo, ny Bara Iantsantsa any Ivohibe, ny Bara Vinda any Benenitra,ny Bara Tsienimbalala any Manera, ny Bara Mananantanana any Volotaray, ny Bara Mahovy any Bereta. Misy koa foko Bara mitondra ny anaran’ny tany onenany, toy ny Bara Antevondro any Ivondro, ny Bara Antikondra any an-dohan’ i Fiherenana.

III. NY FIAVIANA SY NY RAZAMBE

Foko avy tany atsimo atsinanan’ i Madagasikara no niavian’ ny Bara sy ny Filoha nitarika azy. Avy tany am-bava ranon’ i Mandrare izy no nianavaratra nankany am-bava ranon’ i Mananara. Avy tany indray izy no niankandrefana nihazo an’Ivohibe ka nihoatra an’Isalo ary nifindra tsikelikely ka tafapaka hatrany Analavelona any am-pita andrefan’i Fiherenana. Ny Razambe fantatra anarana nitarika azy ireo dia Rakanjobe sy Ravatoverere. Samy razan’ny Zafimanely nanjaka fotoana ela tany Bara Rakanjobe sy Ravatoverere.
Misy milaza fa ny Zafimanely dia taranak’i Manoel de la Cerda, mpiantsambo portiogey, rendrika tao Morombe ka nanavotra aina niatsinanana. Ny Zafimanely izany dia tokony hoe Zafimanoely izany hoe Zafinimanoely. Araka ny filazana anankiray hafa dia taranak’izany Itaba, mpifindra monina avy any Efezy izany Andriamanely. Ny tantara fahatelo dia milaza fa tera-tany avy tany Afrika atsinanana ny Bara ary nentin’ ny Filohany nita ranomasina nankaty Madagasikara ka niantsona tao anelanelan’i Morondava syToliara.

IV. NY MPANJAKA NALAZA

1. Rakanjobe
Lehilahy fotsy hoditra hono Rakanjobe ary lazain’ ny mpitantara fa Vazaha vaky sambo tany amorontsiraka atsimo atsinanana tany. Ny sasany indray milaza fa mpiavy avy tany Bourgon (La Réunion izy). Naka vohitra tao Andrizaha, tao Ivondro Rakanjobe mianakavy ary noho ny fahalalany an’ izany « Lacase » izany, dia nahazo basy sy fiadiana mahery maro izay nentiny nampanaiky ny foko manodidina azy tany amoron’ Ionaivo.

2. Ravatoverere
Ity lehilahy ity no nampanaiky ny foko niaraka taminy fa ny fianakavainy no manjaka sy mametra ny fitsipika mandamina ny fifandimbiasan’ ny Mpanajaka Bara. Vehivavy fotsy hoditra no vadiny. Niainga avy tany am-bava ranon’ i Mandrare izy ary nianavaratra hatrany Inongy, sampan’ i Mananara. Nisy mpiady arivo lahy nanaraka azy.

3. Rabararatavokoky
Niteraka lahitokana Ravatoverere, dia Rabararatavokoky, izay niteraka an’ Andriankeoheo. Ity farany ity indray niteraka an’ i Rakobaha sy Rapapango. nandefitra tsy hanjaka handimby an-drainy Rakobaha na dia zokiny aza. Navelany Rapapango zandriny handimby ny rainy tao Inongy fa izy kosa niankandrefana nankany Isalo. Izy no rain’ Andriambarindry izay nanorina ny fanjakan’ i Fiherenana.

4. Rapapango na Rafiraraza sy Andriamena
Niteraka lahitokana Rapapango dia Andriamena. Niala tany Inongy Andriamena ka nifindra tao Ranomena, renirano sampan’ i Menarahaka ao atsimon’Ivohibe. Volambita no anaran’io faritany io. Tamin’izany izany no niantombohan’ny varotra basy nataon’ny Anglisy ka omby 14 ka hatramin’ny 16 no takalon’ny basy iray. Niteraka telo Andriamena, dia Adriamandàna, na Andriamanetaka, Rebiby ary Andriamanely.
Maty tamin’ny ady nifanaovan’ny Bara sy ny Tanala i Rebiby.

Ny taranak’Andriamandàna dia tsy navela hanjaka noho ny fahadisoana lehibe n’ny anankiray taminy tamin’ny nanambadiany ny vady navelan-drainy. Koa dia ny taranak’Andriamanely ihany sisa tavela nanjaka. Natosiky ny havany niankandrefana ireo izay voailika tsy nahazo nanjaka, ka nanangana fanjakana vaovao dia ny Bara Antikondra tany andohan’i Fiheranana.

Andriamanely kosa niteraka maro, ka ireo taranany ireo no natao hoe Zafimanely izay nanangana fanjakana Bara maro, dia ny Bara Be, ny Bara Imamono, ny Bara Iantsantsa, ny Bara Mananantanana, ny Bara Manandàna. sns…

© Malagasy ve ianao, manasa anao hizara rehefa avy novakianao

Laisser un commentaire