Notokanan’ny Filoham-pirenena ny Co-Cathédrale Md Josefa vaovao ao Miandrivazo
Ny Cardinal Désiré Tsarahazana no nitarika ny Sorona Masina. Antsoina hoe Co-Cathédrale izy ity satria Diosezin’i Morondava ihany no eto . Saingy noho ny halaviran-dàlana (268 km), dia neken’ny Papa Ray Masina ny hanorenana Cathédrale ho an’i Miandrivazo, izay mahazaka mpiangona 4.500 isa.
Notsiahivin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny lahateny nataony ny hafatry ny Papa Ray Masina tamin’ny Paka ho an’ny Fifanomezan-tanana, Firahalahiana sy ny Firaisan-kina hisian’ny Fandriampahalemana ilain’ny zanak’olombelona. Marihina fa ny Filoha no nanolotra ny lakolosy ho an’ny Cathédrale Saint-Joseph.