Hankalaza ny faha-100 taonany ny Antilin’i Madagasikara
Hankalaza ny faha 100 taona nisiany ny Antilin’i Madagasikara, fikambanana miorina eo anivon’ny Fiangonana katolika. Io no vaovao lehibe nambaran’ireo tompon’andraikitry ny fikambanana ny talata 13 desambra teny Ambatoroka.
Hankalaza ny faha ZATO taonany ny Antilin’i Madagasikara. Hetsika maromaro no kasaina hatao. Hanomboka ny 22 marsa 2023 izany fankalazana izany ka arindra manaraka ny fandaharam-potoan’ny fiangonana katolika ny hetsika. « Satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo » Io teny nalaina tao amin’ny Evanjelin’ny Md Joany 15,15b io no entina hankalazana izao jaobily izao.
Tamin’ny 22 marsa 1922 no niorina ny Madagasikara ny AIM (Skoto katolika) ka mbola Scout de France izy tamin’izany. Mompera Pierre Dumas de Paisac no nanorina azy voalohany tao amin’ny katedraly Andohalo. Tamin’ny 1957 no nahaleo tena izy ka nivadika ho Antilin’i Madagasikara. Mpikambana feno ao amin’ny conférence international du scoutisme Catholique (CICS) sy ny OMMS (organisation mondiale du mouvement scoutisme) ary mbola mpikambana ao amin’ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara ihany koa (Fsm). Ny Aim dia voafehin’ny didy hitsivolana 60-133 tamin’ny tamin’ny 3 oktobra 1960 izay nasiam-panitsiana tamin’ny didy hitsivolana 75-017 tamin’ny 19 aogositra 1975. Manaraka ireo fomba fanabeazana skoto entina manabe ireo ankizy sy tanora ka mizara sampana maromaro araka ny zara taona. Ny tanjona dia ny hamolavola tanora krisitianina katolika, olom-banona, sambatra, ilaina, ary sahy mandray andraikitra.
Teo ampamaranana moa dia niantso ireo Antily rehetra manerana izao tontolo izao sy ireo ao anatin’ny firaisan’ny skotisma malagasy ary ireo rehetra mpisehatra amin’ny fanabeazana, anatin’izany ireo mpiray ombon’antoka mba hiara hisalahy hanatanteraka izany fankalazana izany ireo tompon’andraikitra. Tsy hadino koa moa ny nanentana ireo any amin’ny Diosezy mba hanangana komity faha 100 taona araka ny toro-marika efa nomena ka Miray vina, miray tanjona, miray fahombiazana ho an’ny Fanabeazana.
(source: lakroa.mg)
