Fiaraha-monina, Taratra – Vatsim-pianarana: Oniversite telo indray mitokona
Mafana ny tontolon’ny fampianarana ambony nanomboka omaly. Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra. Nanao fitokonana indray miaraka ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary Toamasina.
Nanao fitokonana fitakiana vatsim-pianarana ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga (Ambondrona) sy Fianarantsoa (Andrainjato), omaly. Na ao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny paska aza ny fampianarana ambony, mandeha ihany ny fitakiana ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny vola fampitaovana, hoy ireo mpitarika ny hetsika. Ho an’ny oniveriste’i Fianarantsoa, ny alahady teo no nivoaka ny filazana fa miato ny fampianarana manomboka ny 3 ka hatramin’ny 16 avrily noho ny fialantsasatry ny paska.Tsy nihemotra ny mpianatra fa niroso tamin’ny fitakiana omaly. Nifanandrina tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Mpianatra telo voasambotra. Ny iray tao anatin’ny faritry ny oniversite, ny roa teny ivelany. Navotsotra izy ireo rehefa nitaky ny hamoahana ny namany ny mpitarika.
Ankoatra ny vatsim-pianarana dimy volana, mangataka ny hamalian’ny mpitantana ny fitarainana ho an’ny mpianatra 900 tsy nisitraka vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2021-2022 ny namany. Nilaza ny mpitokona fa mety kokoa raha averina alaina lelavola eny amin’ny “agent comptable” ny vatsim-pianarana. Hisorohana ny olana niseho, toy ny tamin’ny taon-dasa rehefa natao ny “digitalisation”, hoy hatrany izy ireo.
Mangataka ny fanefana ny saran’ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra, koa ny mpanao fitokonana. Tanjona ny hahafahan’ny fampianarana mitohy am-pilaminana. Lasa miantraika amin’ny fizotry ny taom-pianarana ny tsy fahatomombanana eo amin’ny karama, araka ny flazan’ny mpianatra. Manantena izy ireo fa hivoaka amin’ny herinandro ambony ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny vola fampitaovana.
Manome 72 ora ny mpitondra
72 ora kosa ny fe-potoana omen’ny Collectif des Etudiants à l’Université de Mahajanga (CEUM) ny mpitantana ny oniversite. Mitaky ny hitondrana vahaolana mifandraika amin’ny fitakiana izy ireo. Nivory ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra 36 ao anatin’ny oniversiten’i Mahajanga ny alahady. Tapaka tamin’izany, hirosoana ny fitokonana. Hidina ny “barrière” miditra ny oniversite ao Ambondrona.
Vontoatin’ny fitakiana ny vatsim-pianarana sy ny “réclamation” ho an’ny mpianatra 300 tsy mbola nahazo vatsim-pianarana ny taon-dasa. Ankoatra izay, mangataka ny hijerena ny wifi eny amin’ny toeram-pampianarana ireo mpianatra. Ankoatra izay, tokony ho jerana ny trano fonenana fa tsy zarizary, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny CEUM. Tsy nisy ny fifandonana, omaly. Nanidy ny “barrier” ny mpianatra dia niverina tao anatin’ny faritry ny oniversite ihany. Nilaza izy ireo fa rehefa tapitra ny hateloana ka tsy mahazo valiny ny mpitarika, ho mafy kokoa ny fanehoana.
Nilamina i Barikadimy
Mitovy amin’ny fitakiana ho an’i Fianarantsoa sy Mahajanga no nataon’ny mpianatr’i Barikadimy- Toamasina, omaly, tao amin’ny “campus”. Niavaka ny lahatenin’ny mpianatra, niatefa tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony. Sambany tamin’ny fitokonan’ny mpianatra teto Barikadimy no tsy nisy fahasimban-javatra. Efa nilaza rahateo izy ireo fa hilamina ny fitakiana. Rehefa nantsoina tamin’ny telefaonina ny filohan’ny Oniversiten’ i Toamasina dia nanambara fa vao avy nivoaka tany ivelany ary efa eo am-pikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra indrindra izao.
Ho an’ny eny amin’ny Politeknika Vontovorona kosa, fialana sasatra ity herinandro ity fa manantena izy ireo fa hivoaka ny tetiandron’ny vatsim-pianarana amin’ny herinandro mitsidika io, hoy ny solontenan’ny mpianatra.
Vonjy A. sy Sajo – newsmada.com
Nitsahatra ny hetsika: manazava ny tompon’andraikitra
