Depiote Fidèle Razara Pierre: Famintinana ny Fivorian’ny Solombavambahoka sy ny CAPSAT teny Soanirana (harivan’ny 14 Octobre 2025)
Manazava ny fizotran’ny hetsika samihafa tao amin’ny Lapa Tsimbazaza, sy ny HCC, ary ny miaramila teny an-kianja 13 Mai sy Ambohitsirohitra. Manodidina ny 30 minitra teo ho eo ny fifampiresahan’ny rafitra roa tonta tao amin’ny Cercle Mess des Officiers tao Soanierana.
Nambara teto fa nofohanan’ny HCC ny didim-panjakana nataon’ny Filoha Rajoelina tany ivelany manafoana ny Antenimierampirenena.