Variole du Singe/ Nendran-drajako : Azo sorohina sy tsaboina tsara !

Tafiditra eto Madagasikara ny Variole du Singe na Nendran-drajako. Araka ny fampitam-baovao omaly talata 30 desambra 2025, olona 5 no voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina, ao Mahajanga voalohany. Mila mitandrina isika rehetra satria mahery vaika sy mamono ary mora mifindra ny Mpox.
Ny MPox (Simian Orthopoxvirus) dia areti-mifindra eo amin’ny biby « Primates non-humains » sy ny Olombelona « Primates humains ». Zoonoses na Antrozoonose no iantsoana izany fifamindrana aretina eo @ biby sy olona izany. Rehefa tafiditra amin’ny olombelona nefa ny aretina, dia mamindra amin’ny olombelona hafa izy.
Ireo fambara sy fisehon’ny Mpox
Matetika dia mipoitra 1 ka hatramin’ny 2 herinandro aorian’ny nifasakasany tamin’ny olona marary ny fambara. Mizara roa lehibe izany:
-Ny fanaviana sy ny harerahana : Misy tazo mahery, marary ny loha sy ny hozatra, mivonto ny « ganglions » (ireo herotra kely amin’ny tenda, ny helika, na sns), reraka be ny vatana.
-Ny fisehon’ny kiky na « boutons »: mipoitra 1 ka hatramin’ny 3 andro aorian’ny tazo.
Matetika manomboka amin’ny tarehy vao miely amin’ny vatana (felan-tanana, faladia, ary misy fotoana any amin’ny faritry ny fivaviana). Miovaova ireo kiky ireo: manomboka fisaka, avy eo mibontsina misy rano mazava, avy eo lasa misy nana, ary farany mikonandrony sy mihintsana.
Ny fomba fifindrany
Mifindra amin’ny alalan’ny: -Fifampikasohana akaiky: Hoditra amin’ny hoditra (fiankohofana, firaisana ara-nofo).
-Ny rora na piti-drora: Rehefa miresaka akaiky be, mikohaka, na miatsiaka.
-Fitaovana maloto: Lamba firakotra, lamba famaohana, na fitafiana nampiasain’olona marary.
Ny fomba fisorohana
Mba tsy hidiran’ny aretina dia ireto misy dingana tsotra azonao atao:
-Sasao matetika ny tanana: Ampiasao savony sy rano madio, na « gel hydroalcoolique ».
-Halaviro ny fifampikasohana: Aza mikasika ny hoditry ny olona mampiseho fambara kiky na « boutons ».
-Aza ampiasaina ny fitaovan’ny hafa: Indrindra ny lamba firakotra sy ny akanjo.
-Manao arovava (Masque): Raha toa ka misy olona marary ao an-trano na mikarakara marary.
Tsara raha manantona mpitsabo avy hatrany raha vao misy tazo sy kiky hafahafa mipoitra. Miafara amin’ny fahafatesana ny tsy fitsaboana izany aretina izany.
(source: moov.mg)