Ampanjaka Misy Vahoho
Faritra faha-23 Vatovavy: Mijoro ara-panjakana tanteraka
« Fizarana ara-panjakana fa tsy fampisaraham-bazana », hoy ny Filoha Rajoelina. Mandrafitra ny Faritra vaovaon’ny Vatovavy ireo Distrikan’i: Ifanadiana, Mananjary ary Nosy Varika. Tsiahivina fa Faritra Vatovavy-Fitovinany no anaran’ny teo aloha, ary niampy ireo Distrikan’ny Ikongo, Manakara (misy an’i Namorona), sy Vohipeno.
Nataon’ny Filoha Rajoelina sonia teny Iavoloha ny didim-panjakana teo anatrehan’ireo Oloben’ny Faritra sy ny Ampanjaka avy ao Vatovavy, Atoa Misy Vahoho, sy ny Ampanjaka avy ao Fitovinany Atoa Ratsitakonarivo.