Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina

Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina : “Aoka tsy hatao sorona Antananarivo »

Publié le Mis à jour le

Naina Andriantsitohaina, Ben’ny Tanàna Antananarivo

Niantso ny mponin’Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana, mba ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny renivohitr’i Mada­gasikara. Nolazainy fa misy mikasa hanao an’Antana­narivo ho kianjan’ny korontana sy ny tetika ara-politika indray.

“Miantso antsika, fa indrindra ny vahoaka, mba tsy hanaiky izay rehetra mety ho fitarihana amin’ny tsy mety, ny tsy ara-dalàna. Aok’izay ny fanaovana sorona ny tanànan’Anta­na­narivo”, hoy izy. Nohamafisiny fa na inona na inona tsy fitovian-kevitra, ny fiainan’ny mponina sy ny tanàna tsy tokony halaina an-keriny na sembantsembanina.
Notsiahiviny fa ezaka goavana no nataon’ny mponina mba ho fanarenana sy fanatsarana ny tanàna. Anisan’izany ny eo amin’ny fianarana ny fanajana ny fananana iombonana, ny fananan’ny mponina. “Tsy mendrika ho simbaina sy ravana ho fitadiavana tombony manokana ho an’olom-bitsy izany”, hoy ihany izy.

Tsy midika ho fambolena korontana na fihantsiana ary indrindra tsy tokony hoentina hampiady ny samy Malagasy ny demokrasia, araka ny nambarany hatrany. Niantso ny rehetra ho tony ny tenany. “Manana ny fahendreny ny tsirairay ka afaka handanjalanja izany”, hoy izy namarana ny fanambarany.

Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ny eo anivon’ny OMC Tanà, omaly, nilaza fa hetsika tsy nahazoana alalana io kasaina hatao anio io ka handray ny fepetra izy ireo.

(source: Synèse R. – newsmada.com)