daram-bahiny

Daram-bahiny: fomba efa tokony hajanona amin’izay

Publié le Mis à jour le

Fomban-tany efa hatrin’ny elabe, tany amin’ny Faritra sasany manerana ny Nosy, ny manolotra tovovavy mbola viriijiny ao an-tanàna ho an’ny mpivahiny mamita iraka mba hiara-mandry aminy, indrindra ho an’ireo manam-pahefana samihafa tamin’ny andron’ny Fanjanahan-tany. Ireny no antsoina hoe « daram-bahiny », na « vady an-tsiraka ».

Tsy voasoritra mazava izay mety ho antony: fanajana vahiny araka ny filaza ve, sa fiandrandrana tombon-soa manokana?